Fifidianana kaominaly : hivoaka ny herinandro ho avy izao ny vokatra vonjimaika

0

Efa maherin’ny 90%n’ny fikirakirana ny vokatra nandritra ny fifidianana kaominaly no tontosa ankehitriny manerana ny faritany 6 eto Madagasikara. Hivoaka ny herinandro izao ny vokatra vonjimaika avokan’ny CENI raha ny fanazavan’ny filoha lefitra androany. Ankilany, hifarana rahampitso hariva ny fangatahana fampitahana ny PV nandritra iny fifidianana iny.