Fifidianana kaominaly : miisa 24 ireo fifidianana tsy maintsy averina

0

Kaominina 24 no haverina tanteraka ny fifidianana kaominaly araka ny didim-pitsarana navokan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Miisa 8 kosa ireo kaominina hanatanteraka ny fifidianana mpanolotsaina noho ny tsy fisian’ny kandidà mpifaninana nandritra ny fifidianana ny 27 Novambra lasa teo. Tsy misy fiovany ankilany ny fikarakarana ny fifidianana raha ny nambarany CENI.