Fifidianana mialohan’ny fotoana : tsy maintsy eo anelanelan’ny faha-31 may ka hatramin’ny faha-30 oktobra 2018

0

Tsy maintsy tontosaina amin’ity taona 2018 ity ary mandritra ny fotoan’ny mainandro, ny fifidianana mialoha ny fotoana hifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika araka ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny Zoma faha-25 may lasa teo. Midika izany fa tsy maintsy hanana Filohampirenena vaovao ny Malagasy amin’ny faha-25 janoary 2019.