Fifidianana solombavambahoaka : tokony hahay hifidy ny vahoaka

0

Fototra iray iankinan’ny fiainam-pirenena ny fananana solombavambahoaka mahatanteraka ny asa takiana aminy araka ny tokony ho izy. Fotoana hanamafisana ny fanabeazana olompirenena izao hoy ny mpandinika fiaraha-monina sy ny fiarahamonim-pirenena. Ilaina araka izany ny fahaiza-mifidy ho an’ny vahoaka Malagasy.