Fikajiana ny lalana : samy tomponandraikitra ny rehetra

0

Mihamaro ny fanasana fiara eny amin’ny Arabe eto an-dRenivohitra. Ity farany izay isany manimba anatin’ny fotoana fohy ny lalana, ary voararan’ny lalàna ihany koa. Samy tomponandraikitra amin’ny fikajiana ny lalana ny olompirenena rehetra. Manentana manoloana io ny eo anivon’ny MAHTP ny handraisan’ny rehetra andraikitra ny amin’izany sy hitandrovana ny fananam-bahoaka.