Fikitihina Lalàmpanorenana : miha mavaivay ny fanoherana izany

0

Tsy mitsahatra ny fanehoan-kevitra avy amin’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fikasan’ny mpitondra hikitika ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaran’ny mpitondra efa ho lany fe-potoana iasana ny mikasika Lalàmpanorenana, fa raha hatao izany dia tetika hitazomana seza, hoy izy ireo.