Filan- kevitry ny governemanta sy minisitra : nisongadina ny fametrahana ny datim- pifidianana kaominaly

0

Nisongadina tao anatin’ny filan- kevitry ny governemanta natao omaly Alarobia ny fametrahana ny datim- pifidianana kaominaly eto Madagasikara sy ny lamina rehetra entina manatanteraka izany. Teo ihany koa ny torimarika amin’ny tetibolam- panjakana 2020, ny resaka fanapahana hazo sy ny fivarotana solika ary ny fanendrena tomponandraiki- pankana sy fanafoanana didy fanendrena.