Filankevitry ny minisitra : naato aloha ny tetikasa momba ny Base Toliara

0

Naato ny tetikasa sy ny serasera manodidina ny Base Toliara ary mitohy ny fifampidinihana momba izany. Etsy ankilany, hatsangana ny orinasa SPM hiandraikitra ny fanafarana sy ny famatsiana ny entana ilain’ny mponina, entina hamehezana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Ankoatr’io, neken’ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena ny PEM na ny drafi-pivoaran’i Madakasikara. Teboka nivoitra ireo tamin’ny Filankevitry ny minisitra omaly.