Filoham-pirenena : maro ny asa hatrehina amin’ity taona 2020 ity

0

Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny maraina teo ny fiarabahana tratry ny taona ho an’ny Filoham-pirenena nataon’ireo governora 11 narahan’ny mpikambana teo anivon’ny CENI ary ireo mpikambana teo anivon’ny Akademia Malagasy. Firariantsoa maro sosona no natolotr’izy ireo ny filoham-pirenena amin’ny adidy maro samihafa iandreketany.