Fitantanan-draharaha sy asam-panjakana : atomboka izao ny fanadiovana, hoy ny Praiminisitra

1

Tsy maintsy atomboka ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha sy ny asam-panjakana eto Madagasikara. Io no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Praiministra nandritra ny fanokafana ny taom-pianarana ho an’ny ENAM. Isany laharam-pahamehana ny fametrahana ny « Standard de service », ny ivon-toerana mandray an-tanana ny fitarainana momba ny asam-panjakana sy ny fanaovana tombana ny asa vita.