Fitombon’ny harikarena faobe : azo tratrarina ny tanjona amin’ny taona 2020

0

Azo hatsaraina ny tahan’ny harikarena faobe eto Madagasikara hanatrarana ny tanjona 5,4 % amin’ny taona ho avy, hoy ny manampahaizana momba ny antontan’isa nanaovana fanadihadiana. Ankoatran’ny fampanarahan-dalàna ny seha-pamokarana eny ifotony, isany hampiakatra izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa maro indrindra ny lalana izay hanatsara ny famoaham-bokatra.