Fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa M.L.S.G : ahiana ny fisian’ny kolikoly, hoy ny CRAAD-OI

0

Misy ahiahina kolikoly ny fitrandrahana volamena ataon’ny orianasa vahiny Mac Lai Sim Gianna any amin’ny kaominina Vohilava, distrikan’ny Mananjary hoy ny fiarahamonim-pirenena Craad-OI. Ho ringana ny volamena ao amin’ity distrika ity raha ny zava-misy ankehitriny no tsy misy fandraisan’andraikitra hoy izy ireo.