Fivoriamben’ny firenena mikambana andiany faha 75 : nisokatra androany

0

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny andiany faha 75 amin’ny fivoriamben’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny firenena mikambana tany Etazonia. Tamin’ny alalan’ny hafatra ao anatin’ny  horonantsary nahodina mialoha no nandraisan’ireo tomponandraikitra misolo tena ny firenena isan’isany anjara fitenenana. Isan’ireo voasolo tena amin’izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny.