Fonja eto Madagasikara : tsy ampy ny mpandraharahan’ny fonja

0

Lesoka goavana miteraka ny fahavakisan’ny fonja matetika eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny mpiambina na ny mpandraharahan’ny fonja. Izay raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana androany. Efa tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana anefa ny fanatsarana io sehatra io ary isany ho vaindohandraharaha izany.