Forum 2ème jour

0

Misokatra amin’ny fifanantonana sy ny fifampiresahana rehetra ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, manoloana ny raharaha fananganana ny Tanamasoandro sy ireo tetikasa hafa hotontosaina ; araky ny nambaran’ny tomponandraikitra androany, nandritry ny andro faharoan’ny 3ème Forum National Urbain, tontosaina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nisy androany ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nandraisan’anjaran’ireo mpisehatra maro anjara. Lohahevitra maro no nojerena nandritra izay, isan’izany ny fananganana trano fonenana an-tanan-dehibe.