Forum Socio-économique national : ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa

0

Manodidina ny ampaha-3 amin’ny famatsiam-bola ilain’ny firenena ihany no azon’i Madagasikara isan-taona nandritra ny taona maro. Ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa na avy ato anatiny na avy any ivelany, ahafahana mampandroso ny firenena, araky ny nivoitra androany nandritry ny andro voalohan’ny Forum Socio-économique national, totonsaina eny amin’ny oniversite an’Antananarivo.