FTAR : mangataka ny fametra-pialan’ny Filohany ny mpikambana

0

Mangataka ny fametra-pialan’ny Filohan’ny FTAR ny mpikambana anatin’io Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra io araka ny fanambarana androany. Tsy mifanaraka amin’ny fitsipika anatin’ny fikambanana ny fanapahakevitra noraisin’ny filohan’ny FTAR hatrizay. Manakana ny fanatsarana ny tontolon’ny Taxi haroson’ny kaominina ihany koa ny filohan’ny FTAR. Hamory ny mpikambana ny  filohan’ny FTAR ary handray fanapahakevitra amin’izay namoaka fanambarana raha ny fanazavana azo.