GEM sy FIVMPAMA : mangataka ny hanatontosana fitiliana faobe

0

Mangataka ny hanaovan’ny fitondram-panjakana fitiliana faobe eny anivon’ny orinasa tsirairay ny Groupement des Entreprises de Madagascar sy ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy. Efa nampiozina ny fepetra fiverenana amin’ny fihibohana tanteraka nohon’ny fitombon’ny isan’ ireo tratry ny Covid-19 Madagasikara hoy izy ireo. Manoloana izany anefa, angatahan’ny mpandraharaha ny hananganana kaomisiona hijery vahaolana ho an’ny orinasa tsy miankina.