Governemanta Indianina : nanolotra vary 600 T ho an’ny governemanta Malagasy

0

Taorin’ny antso nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA ho fanampiana sy hiatrehana ireo voina nitranga nisesisesy teto amintsika, nitondra vary milanja 600 taonina ho an’ny firenena Malagasy, ny sambo mpiady Indianina « INS SHARDUL » ny 10 Mars 2020 lasa teo. Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra ny ara-tafika ka misongadina amin’izany ny tafika an-dranomasina.