Guichet unique Tana-Masoandro : 979 hatreto ny tompon-tany tonga nangata-panazavana

0

979 ny tompon-tany eny Ambohitrimanjakana sy ny manodidina nanantona ny birao fakan-kevitra momba ny Tanà-Masoandro etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka hatreto. Taorian’ny fanamarinana natao, parcelles 93 no fantatra fa tafiditra anatin’ny 100 hektara voalohany hanombohana ny Tanà -Masoandro.