Hajo Andrianainarivelo

« Hitombo ny fandanian’ny mpitondra… »

0

Nanao famelabelaran-kevitra momba ny fiainam-pirenena ny Filohan’ny antoko Malagasy Miara Miainga, Hajo Andrianainarivelo. Ny fandaniana ny lalana mifehy ny teti-bola 2016 sy ny fitsinjaram-pahefana no notsindriny mafy nandritra io fihaonana tamin’ny mpanao gazety io. Ny tena mahagaga hoy izy dia ny fiakaran’ny harikarena faobe nefa ny fandaniana ataon’ny mpitondra mitombo ihany koa. Vokatri’zany, tsy misy harena vaovao ho foronina eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny taona ho avy. Tranga izay mifanohitra amin’ny fampanantenan’ny mpitondra ny hanatsara ny fitantanana sy hanatsara ny fiainam-bahoaka. Araho ny famelabelaran-kevitra.