HCC : nametraka fitoriana miisa 73 ny mpanohana an’i RAJOELINA Andry

0

73 amin’ireo fitoriana miisa 305 voaray teny Ambohidahy tamin’ny alatsinainy faha-31 desambra lasa teo no avy amin’ny mpanohana ny kandidà RAJOELINA Andry. Raha ny loharanom-baovao, ny fividianana olona hijoro ho vavolombelona mpandainga tamin’ny faritra maro, ny fanaovana tery sy fanimbazimbana rafitra mpikarakara fifidianana mialohan’ny famoahan-bokatra ofisialy ny santionany amin’ireo fitoriana ireo. Fanadihadiana : RAHARISON Andry