Hetsiky eny amin’ny kianjan’ny 13 may rahampitso : tsy nahazo alalàna

0

Tsy nahazo alalàna avy amin’ny prefektioran’Antananarivo renivohitra ny fitaomana olona hanoherana ny voka-pifidianana kasain’ny kandidà Marc RAVALOMANANA sy ny mpomba azy hatao rahampitso etsy amin’ny Parvis Analakely. Tsy tonga ara-potoana ny taratasy fangatahana raha ny fanazavana. Ahiana ihany koa ny hisian’ny savorovoro amin’izao ankatoky ny fety izao.