Hosoka eo anivon’ny fadintseranana : an-tapitrisany maro ny fatiantoka

0

Fanambarana sy fampiasana antontan-taratasy hosoka ny 50 % maherin’ny tsy fanarahan-dalàna sy halatra tra-tehaka eny anivon’ny fadintseranana isan-taona raha ny tatitra navoakan’ny lehiben’ny sampandraharaha misaha ny lalàna androany. Mitentina 18 Tapitrisa ny hetra tokony nampidirin’izany amin’ny kitapombolam-panjakana ny taona 2017 raha ny fanazavana.