Iavoloha : tsy hisy intsony ny « présentation des vœux »

0

Rahampitso hariva no hitafa amin’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA. Fotoana hanaovany tatitra ny taona 2019, ary koa ho fampahafantarany ny vina ho an’ny taona 2020. Ny filohan’ny repoblika izay nanamafy fa tsy hisy intsony ny presentation des voeux fanao eny Iavoloha isan-taona rehefa taona vaovao.