Jiolahy tratra HCC

0

Lehilahy iray nikasa hanapoaka « Cocktail Molotov » teny amin’ny HCC Ambohidahy no saron’ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny Talata faha 27 novambra hifoha ny Alarobia. Mbola tsy fantatra hatreto ny fiaviany sy ny mombamoba ary ireo naniraka azy. Nilaza kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa mbola eo am-panaovana famotorana izy ireo.