Jirama : mihenjan- droa ny tady eo amin’ny sendika sy ny mpitantana

0

Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly eo anivon’ny Jirama ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Manome 48 ora izy ireo amin’izany. Etsy ankilany, nilaza ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Jirama fa ny tsy fahazoan’ ireo mpiasa tombontsoa manokana no anton’izao fitakiana izao.