Jly Ratsimandrava – 11 febroary : 44 taona aty aoriana, mbola tsy fantatra ny valin’ny fanadihadiana

0

11 Febroary, andro nitifirana ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA Filoham-panjakana tamin’ny taona 1975. Notsarovana tamin’ity androany ity izany daty mana-tantara ho an’ny Malagasy izany teny Ambohijatovo ambony. 44 taona aty aoriana, tsy hita ny valin’ny fanadihadiana ny amin’izay nitifitra azy.