K3F : nanameloka ny herisetra

0

Manameloka ny tranga niseho teto amin’ny firenena ny Sabotsy teo ihany koa ny avy eo anivon’ny Komitin’ny Fahamarinana, Fandriampahalemana ary Fiadanana na ny K3F. Miara ory amin’ireo niharam-boina ary mirary fahasalamana ho an’ireo naratra. Maneho ny tsy fahafehezan’ny fitondrana ankehitriny ny toe-draharaha eto amin’ny firenena intsony ny zava-misy ankehitriny raha ny voalazan’izy ireo. Leo amin’ny fiainana sarotra iainan’ny firenena ny vahoaka, araka ny antso efa nataon’ny fivondronamben’ny Eveka hatrany.