Kabarin’ny filohampirenena : fizahozahoana no betsaka

0

Fanamarihana ny faha-58 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany. Manoloana indrindra ny raharaham-pirenena ankehitriny, samy niandry ny kabarin’ny Filohampirenena ny rehetra, indrindra ireo nanatrika ny lanonana teny Iavoloha. Saika fizahozahoana no namaritra ny ampahany betsaka tamin’izany. Tsara sy namokatra ny 4 taonan’ny fitondrana HVM, hoy ny filohampirenena.