Kandida Antananarivo Renivohitra : i Naina ANDRIANTSITOHAINA no natolotry ny IRD

0

Taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, ny tolakandro teo, no nahafantarana fa i Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA no kandida natolotry ny vondrona IRD ho kandida ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra. Ity farany izay nanamafy ny fahavononany hitondra ny tananan’Antananarivo amin’ny fivoarana sy ny fampandrosoana mifandraika amin’ny vina napetraky ny filohan’ny Repoblika.