Kaominina Ankerana Avaratra : vita ny fanavaozana ny tetezana

0

Nohavaozina tanteraka ny tetezana ao amin’ny kaominina Ankerana Avaratra, Faritra Bongolava, Distrika Tsiroanomandidy. Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny tambazotran’ny làlana sy fifamoivoizana manerana ny Nosy izao fanamboarana tontonsain’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, amin’ny alalan’ny Fitantanam-paritra ao Bongolava sy ny Kaominina any an-toerana izao. Fanadihadiana.