Kaominina Mananasy – Soavinandriana : ambany ny vidim-bokatra vokatry ny faharatsian’ny lalana

0

Mikaikaika ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Mananasy, distrikan’I Soavinandriana amin’ny fahamoran’ny vidim-bokatra andraisan’ireo mpamongady. Vokatry ny faharatsian’ny lalana no voalaza fa anton’izany. Manaitra ny tomponandraikitra isan’ambaratongany ny fiadidian’ny tanàna any an-toerana.