Teboka maro no ilaina mba hisian’ ny fanarenana eto amintsika ary ho dinihina miaraka amin’ny Kardinaly Pietro Parolin. Anisan’izany ny fampivoarana ny fiananan’ny maha-olona sy ny fanajana ny zon’ny olombelona ary ny fandriampahalemana. Manomboka amin’ny 27-31 janoary ho avy izao ny fankalazana ny faha 50 taona nifandraisan’i Madagasikara amin’i Vatikana .