Katedraly Maria Manjaka – Morondava : ho vatsiana fanamafisam-peo sy lakolosy

0

Nanotrona ny lamesa lehibe ho fanitarana ny Katedraly Maria Manjaka Namahora ao Morondava ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, nandritra ny andro faharoa nitsidihany tany an-toerana omaly. Nampanantena ny filoha fa hanome Lakolosy ho an’ny Katedraly vaovao. Nisy ihany koa ny fanomezany rakibolana 6 hetsy hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.