Kitrotro : tokony atao vakisiny ny zaza ho fisorohana

0

Ny tsy fanaovana ny vakisiny eo amin’ny faha 9 volan’ny zaza iray. Antony voalohany mamparefo azy ary ahazoany ny aretina kitrotro. Nanamafy androany ny mpitsabo fa ireo rehetra efa vita vakisiny dia tsy tokony ho voan’ny kitrotro intsony . Tsy fantatra mazava hatreto ny isan’ireo matin’ny kitrotro raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.