KMF / CNOE : mitaky ny famoahana ny lalàna sy tetiandrom-pifidianana

0

Mampaneno lakolosy fanairaina indray ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny tokony hamoahan’ny fitondrampanjakana ny lalàna mifehy ny fifidianana marina sy ny fanendrena ny tetiandrom-pifidianana na ny hanomezany fahefana ny CENI hanatanteraka izany. Raha ny tokony ho izy, valo volana mialoha ny fotoam-pifidianana raha kely no efa eny am-pelatanan’ny teknisiana sy ny mpisehatra io lalàna io hahafahana manao ny fanomanana.