Kolikoly teny amin’ny antenimieram-pirenena : tsy misy mipika ny tohin’ny fanadihadiana

0

20 andro taorian’ny fitoriana napetrak’ireo solombavambahoaka mitsipaka ny fandaniana ny lalàmpifidianana teny amin’ny BIANCO, tsy misy mipika ny valin’izay fanadihadiana izay. Raha nanontaniana mikasika izay ny tale jeneralin’ny BIANCO dia nilaza fa tsy mbola misy azo ambara hatreto.