Lalàm-pifidianana : adinon’ny fanjakana ny adihevitra

0

Isany misongadina ao anatin’ny lalàm-pifidianana ny fameran’ny fanjakana ny fomba fanehoan-kevitra amin’ny haino amanjery tsy miankina mandritra ny fampielezan-kevitra. Tahaka ny fanaon’ny fanjakana, tsy misy ny adihevitra mialohan’ny amoahana lalàna hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Maro ireo pitsopitsony ahitana tsy fahatomombanana amin’ny fandrafetana ireo volavolan-dalàna momba ny fifidianana raha ny voalaza hatrany.