Lalàm-pifidianana: mbola tsy fantatra ny fotoana andefasana azy eny amin’ny antenimiera

0

Mbola tsy fantatra ny fotoana handefasana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana eny anivon’ireo antenimiera hoy ny praiminisitra, nandritra ny fampahafantarana ny programan’asam-panavaozana ny sehatry ny asam-panjakana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Samy miandry izany avokoa ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena.