Lalana eto Antananarivo : ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy

0

Taorian’ny fampiantsoan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy ireo orinasa mpanao lalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny zoma lasa teo, niroso avy hatrany tamin’ny fanamboarana ny lalana ireo orinasa « sous garantie ». Ezahina ho vita amin’ny alahady izao avokoa ireo lalana eto Antananarivo ary orinasa miisa 8 no voakasik’izany.