Lalana eto Antananarivo Renivohitra : hamboarina sy hampanarahana fenitra

0

Hamboarina ary hampanarahana fenitra avokoa ny lalana eto Antananarivo renivohitra. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika izay androany, nandritry ny fidinana ifotony, fitetezana toerana maro teto Antananarivo nataony, niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpamatsy vola, sy ny minisitra tompon’andraikitra.