Lalàna fehizoro

0

Araka ny efa niaraha-nahita ireny dia lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ireo volavolan-dalàna fehizoro hifehy ny fifidianana. Raha ny lahadinika hita eny amin’ny Antenimierampirenena dia hiverina eny Tsimbazaza ireo volavolan-dalàna ireo ny Alatsinainy faha-16 aprily amin’ny 10 ora maraina.