Lalàna hifehy ny mpanohitra : ho jerena manokana eny Tsimbazaza

0

Ho jerena manokana mandritra ny fivoriana hotontosain’ny Solombavambahoaka amin’ny faha-12 aogositra ho avy izao ny lalàna mifehy ny mpanohitra eto Madagasikara. Tanjona amin’izany ny tsy hisian’ny manjavozavo intsony amin’ny fametrahana ny toerany ny mpanohitra eto Madagasikara, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena.