Lalàna hifehy ny mpanohitra : nafana ny adihevitra teny amin’ny Antenimierampirenena

0

Nafana ny adihevitra teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza androany izay nandiniana sy nandaniana ny volavolan-dalàna hifehy ny mpanohitra. Tsy nandray anjara tamin’ny fandaniana izany ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara, taratry ny demokrasia izany, hoy ireo solombavambahoaka hafa.