Lisi-pifidianana  : nitombo 3,77% ny isan’ny mpifidy

0

Nakatona tamin’ny fomba ofisialy androany ny lisi-pifidianana ampiasaina amin’ny fifidianana Solombavambahoaka amin’ny Alatsinainy faha-27 may ho avy. Nanomboka androany ihany koa no nandefa ireo lisitra eny anivon’ny fokontany tsirairay ny CENI. Nitombo3,77% ny mpifidy manerana ny Nosy raha mitaha tamin’ny fifidianana Filohampirenena farany teo.