Loholon’i Madagasikara : hihena ho 18 ny isany

0

Hihena ho 18 ny isan’ireo loholon’i Madagasikara etsy Anosikely amin’ny fotoam-piasana manaraka izao. Io no fantatra taorian’ny nahalany ilay volavolan-dalàna laharana 001-2020. Ahafahana manatanteraka fotodrafitrasa maro ny vola izay tokony ho karaman’ireo loholona amin’izao fampihenana izao raha ny nambaran’ny Solombavambahoaka.