Lycée RABEARIVELO : notokanana ny efitrano fianarana vaovao

0

Notokanana androany ny efitrano fianarana vaovao natolotry ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa ho an’ny Lycée JJ Rabearivelo. Fanorenana fotodrafitrasa izay tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny amin’ny alalàn’ny ministera tomponandraikitra.