Madagasikara : hisy fanamboarana fonja vaovao miisa 5

0

Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hialana amin’ny fahafenoan’ny fonja eto amintsika raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana androany. Hafindra eny amin’ny fonja vaovao Tsara Ambina Imerintsiatosika ireo mpanao heloka bevava aorian’ny fahavitan’ity fonja Tsara Ambina ity.