Mahajanga : dibo-drano ny tanàna, tapaka ny lalam-pirenena faha-4

0

Vahoaka maro any amin’ny ditrikan’i Mahajanga faharoa no traboina amin’izao fotoana izao vokatry ny rotsakorana sy ny ranobe. Ankilany, tapaka tanteraka ny lalampirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga amin’izao fotoana izao. Niainga io harivao io manoloana izany ireo teknisiana, sy ireo fitaovana entina hanamboarana ireo lalana tapaka ireo.